Sauter au contenu

Sao tara loatra ?

Mitohy indray izany ny lohan’angidina
Tsy navela hipetraka ilay fiaramanidina
Tsy teliny mihitsy, adray ! toa nangidy ?
Ny saina sa inona no tena nihidy ?
Raha mamim-bahoaka, miebo ho mahery
Olon-tokana hono dia atao mahavery !
Marary saina sa olo-manavy ?
Mitotoa koba amin’izay tsy matavy…
Na izany aza anefa mijaly ny pokona
Leo hadalana sy totohondry mivonkina
Izy tsy ketrina ka mahaiza miaina
Ny safidim-bahoaka aza tevatevaina
Ity firenena no tiana halamina
Aok’izay ny atsonjay sy ireto NOTAM
Tsy misy masiaka toy ny sakay
Raha teny ierana, telin-tsy ho may
Vahaolona iraisana tsotra dia tsotra
Ny fanarahana ilay tondrozotra
Ka mifandefera, fadio ny be resaka
Sao tara loatra toy ny vato mitresaka!

Antso
22-01-2012

2 Commentaires laisser un →
  1. racynt permalien
    23 janvier 2012 12:38

    Tsara loatra ty tonokalo ty. Misaotra an i Antso maneho ny hevitry ny vahoaka amin ny fomba tena kanto

Rétroliens

  1. Natahotra ny masony ! « Fijery, le blog de Ndimby A.

Répondre

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Twitter picture

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.

Joignez-vous à 109 followers